TOMANY ANAO

Vongan-dranomaso matevina fipatraka
Sento mifanesy tsy hita fihaviana,
No mikoriana mora sy tazana milatsaka
Eny an-tavany eny fa sarak’olon-tiana.

Feo vonton’alahelo arahina taraina
Ilay tsiky teo imolony toa zary tsy hita intsony,
Fa vongan-dranomaso manomboka maraina
No tazanao eny aminy, tomany anao ny fony

Sisan-dranomaso efa tokony tsy halatsaka
Ampahim-pahatsiarovana tokony efa tony,
No indro indray misoka, miadana fipatraka
Anatin’ny alinaliny, tomany anao ny fony.

Sisan’embonembona kasaina tsy hifoha
Avelon’alahelo novonoina mba ho faty,
No indro fa nitraotra, nivoaka avy ao am-po (ny)
Tomany anao ny fony, mijaly sady mihafy.

Moa ny sitraky ny masony ny handrotsaka tomany
Sa, safidim-pony adala ny mitia tsy tafapetraka?
Nefa tadidio fa izany rehetra izany
Dia mbola noho ianao r’ilay tiana mpietraketraka,
Mpilalao fitia, ilay nandao tsy ho azy intsony
Misy ranomaso mitsonika eo an-tavany, tomany anao ny fony.

Myh’Andry

http://facebook.com/fyainana