ALAHELO

ALAHELO

Eto am-pamakiana ny andalan-tsoratrao no latsaka ny sento
Andalam-pijerena ireo tahirin-tsarinao no teraka ny vetso
Dia indreny koa ireny tsiaro fa mitety ny habakabako….
Te hikiaka hiantso anao aho fa saingy vahotra ny vavako.

Mipatraka mangina manorika eo an-tavako ny ranomaso sisa
Mamaky ny eritreritro tsy hita nosakanana ny embona ny vita
Mavesatra ny tsiaro sinaraka malala, mangina samy irery
Voagadra ny fanahy, tsy anilan’olon-tiana ity olona efa very.

Mitoloko samy irery an’efitra mangina ity fo tsy mahasaraka.
Saingy atao ahoana fa fitiavana tsy anjara tsy maintsy hoe nisaraka.
Mitonia ry fo voaratra sy migoka fijaliana noho ny heraky ny tany.
Fa raha maizina ny androany, rahampitso mbola hazava ihany.

Myh’Andry
27/12/19

Myh'Andry

Mpanoratra tononkalo

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *