TSY MISY NENINA

Ry voro-nandalo namangy ny nofiko.
Ny eto alahelo mameno ny tany.
Ny dia nefa zory fa kosa ny rofiko
Fery ho maina sy ho sitrana ihany.

Ka aza manahy na misaina ny amiko.
Fa ianao tsy ahy akory fa olo-nindramiko.
Ka veloma masina ry olo-nisitaka,
Ny teto nanaja f’ianao no namitaka.

Raha izay alaheloko, hiserana ihany.
Ho taom-pifaliana no valin-tomany e!
Koa aza mihevitra ny hito-doha fa…
Ny eto nateraka ho be hambom-po

F’izay ranomaso tsy ritrako omaly?
Hinoko ho fanaisotra sy ho odin’ny jaly.
Veloma masina ka mirary soa.
Mangina foana ny eto na marary fo.

Ka ny zava-bita tsy asiam-panenena.
Fa lala-nandratra iny tsy hiverenana.
Ny foko eto tony na dia noratraina.
Dia hatraka ny loha na aza marary ny aina.

Myh’Andry 04/11/19

Leave a Reply