Enga anie
ENGA ANIE…
Ao an’eritreritro ao?
Misy endrika tsy fantatra
Toa maneloelo fatratra
Fa enga anie tsy ianao.
Ny fo izay anatiko ao?
Milamindamina fidoboka
Mahatsapa ho tafaroboka
F’enga anie mba tsy aminao.
Ny ao anaty masoko ao….
Misy jery iray mahafanina
Topi-pason’olo-manina fa
Enga anie tsy hijery anao.
Ny kaloko tsy vazivazy
Mba sitrako raha azo atao
Dia tsy hiantefa any aminao
Fa enga kosa anie mba ho azy
Ny habakabako tsy miery
Mangan’ny hiran’ny fitiavana
Hasambaran-tomandavana
Enga anie mba ho azy irery.
Myh’Andry
09 – 03 – 21