What is this? From this page you can use the Social Web links to save FARA-EMBONA to a social bookmarking site, or the E-mail form to send a link via e-mail.

Social Web

E-mail

E-mail It
Oktobra 25, 2019

FARA-EMBONA

Posted in:

FARA-EMBONA

Angamba ity no kalo, farany hokaloiko
Ho anao ilay nanadino nikosoka ny amiko
Fa mifarana eto anio ny sento sy toloko
Moa ianao tsy ahy fa endrika nindramiko.

Angamba ity no faran-taratasy ho soratako
Handrakitra an-diary ireo tantara lasako.
Fa vizana ny saiko ka tsy te hamisavisa
Moa ny ranomaintiko, madivadiva ho ritra.

F’ity sinoratro eto ity no hany sisa fara-hafatro
Hamangivangy anao any an-tany lavitra any
Fa ambadiky ny anio, hinoako kosa f’ho voafafako.
Ny vongan-dranomaso an-tavako mikoriana sesilany.

Eny! ity no fara-embona hamaky ny habakabako.
Handrotsy mangina ry tokana tsy anjarako.
Ity no sisa fara-hira handravaka ny vavako.
Hiraiko koa anao ry saika ho malalako…..

Myh’Andry(24/10/19)


Return to: FARA-EMBONA