TSIKY

TSIKY

Tsy akory raha mitsiky dia lazaina foana ho faly
Fa misy mody tsiky hanafenana ny jaly
Mody asiana tsikitsiky misoritra an-tava
Nefa anaty any vesaran’alehelo sy sento lalan-dava.

Rehefa izy mitsiky tsy akory hoe tena babo,
Ka aza akory manantena hoe lasanao ny fony.
Fa ny azy hitsikiany na tafita ianao na lavo,
Ary hitsikiany foana na tena tiany na esoiny

Iny tsikiny ny, maro misitery tsy hita hovisaina
Mety ho mari-panajana sy ho marika fitiavana.
Fa hitsikiany foana ianao na dia efa horatraina.
Misy tsikim-panekena dia misy tsikin’ny fandavana

Myh’Andry

Leave a Reply