MANINA
Madio mangamanga ny lanitray aty,
Mazava manjopika ny zavatra jinery
Fa kosa izany foko mihira samy irery,
Vesaran’alahelo izato vatako malia.
Fa ny eto lavi-kavana, sinarak’olon-tia,
Miventy embonembona mitafy fahatsiarovana
Mivetso fahanginana ity vatana torovana,
Oh! Manin-kavan-tiana ity tenako aty.
Rehefa takariva ny eny am-paratazana eny,
Miteraka embonembona ny zavatra jerena
Iny vodilanitra iny, miloko volom-bolamena,
Manaitra koa ny hanina ny ritso-boronkely.
Ny volan-takariva mandravaka ny alina,
Ny safosafon-drivotra fa malefaka fitsoka,
Mitondra fahatsiarovana iray mipololotra,
Fa ny lavi-tiana, singana ka manina.
Myh’Andry